1 Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah , aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

2 Mamindr fo amiko, Jehovah , fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah , fa mihozohozo ny taolako.

3 Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah , mandra-pahoviana?

4 Miverena, Jehovah , afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.

5 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera Anao?[Heb. Sheola]

6 Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.

7 Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.

8 Mial amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.

9 Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.

10 Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
